|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Randriamamonjy Frédéric |
| Singan-teny | 2Randriamamonjy |
| Sokajin-teny | 3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Randriamamonjy Frédéric (1932/05/25 - ).
[3.1] 5Randriamamonjy Frédéric dia teraka tao Ampananganana, Mandialaza, tamin' ny 25 mey 1932, zaza fahavalo tamin' ny sivy mianadahy zanak' i Randriamaro, Mpitandrina sy Ramavo. 6Avy amin' ny Zafinandriamamy no fiaviany. 7Dimy taona izy nony maty ny rainy ary roambinifolo taona izy tamin' ny nahafatesan-dreniny. 8Tao amin' ny Sekolim-panjakana tao Mandialaza izy no nanomboka ny fianarany. 9Tamin' ny faha-15 taonany anefa dia tapaka ny fianarany noho ny raharahan' ny 47. 10Nisy ny maty tao amin' ny fianakaviany ary rava ny fananana. 11Kanefa noho ny fitahian' Andriamanitra dia afaka nanohy ny fianarany izy, tao amin' ny sekoly protestanta Ambatonakanga, Ambatomanga, Rasalama, Paul Minault, ny Collège Cévenol (Le Chambon-sur-Lignon) ny Westhill Training College (Birmingham) sy tao amin' ny Oniversiten' i Montpellier, Dijon, Durham (U.K), Rhode Island (USA) ary Copenhagen (Danemark), ka nahazo mari-pahaizana momba ny fampianarana sy ny Doctorat de 3ème Cycle ary ny Maitrise momba ny Ecologie. 12Nampianatra sy nitondra sekoly tao Ambatonakanga (1958-1961) sy tao amin' ny Kolejy Paul Minault (1963-1965) ary tao amin' ny Institut Pédagogique tao Antananarivo (1967-1970) izy. 13Tamin' ny 1970 izy dia voatendry ho "Tonia miandraikitra ny fifandraisana amin' ny Fiangonana any Afrika" tao amin' ny Conseil Qecuménique des Eglises tao Genève (1970-1975). 14Taorian' izany izy dia voatendry ho Ambasadaoron' i Madagasikara tany Moskoa (1975-1986). 15Tafaverina teto an-tanindrazana izy tamin' ny 1986 ka nampianatra tao amin' ny Ecole Normale Supérieure (1987-1992). 16Mpikambana tao amin' ny Haute Autorité de l' Etat (1992-1993) izy, ary Solombavambahoaka tamin' ny 1993-1998. 17Diakona tao amin' ny FJKM Tranovato Ambatonakanga izy hatramin' ny 1966 ary Loholona tato aoriana. 18Mpikambana ao amin' ny Akademiam-pirenena Malagasy. 19Manana ny mariboninahitra Chevalier de l' Ordre National, Officier de l' Ordre National ary Ordre de l' Amitié des Peuples (URSS). 20Tia tanindrazana sy mpanompon' ny Firenena Atoa Randriamamonjy F. 21ary nankamamy hatry ny fahakeliny ny tantaram-pianakaviany sy ny tantaram-pirenena ka nanao ho zava-dehibe ny fahalalana ny tany sy ny razana niaviana. 22Na dia niaina sy nitombo tao anatin' ny sarotra aza izy dia nampiseho fa ny faharetana, ny fitiavana sy fanompoana ny Tanindrazana ary ny ezaka dia ny ezaka ihany no lalana hombàna raha mitady fahombiazana eo amin' ny fiainana. 23Filamatra azon' ny tanora banjinina izany. 24Hoy ny Profesora RAKOTO RATSIMAMANGA, Mpikambana ao amin' ny Akademiam-Pirenena malagasy ary Ambasadaoro taloha. [2.508] |
| Voambolana | 25 Haisoratra: mpanoratra |
| Asa navoany |
26 2001 Tantaran' i Madagasikara isam-paritra |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05 |
|